The Bible Software
bible.software › Bokin'i Josoa › Bokin'i Josoa 5 › Bokin'i Josoa 5:6

Bokin'i Josoa 5:6

Fa efa-polo taona no nandehanan’ ny Zanak’ Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran’ ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah izy; dia ireo no nianianan’ i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

For the children of Israel walked forty years in the wilderness, till all the people that were men of war, which came out of Egypt, were consumed, because they obeyed not the voice of the LORD: unto whom the LORD sware that he would not shew them the land, which the LORD sware unto their fathers that he would give us, a land that floweth with milk and honey.

In Context

5Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin’ izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa.

7Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan’ i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana.

Read all of Bokin'i Josoa 5

Cross References

Exodus 3:17ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin’ ny fahoriana atỳ Egypta ho any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely.

Numbers 14:29Etỳ amin’ ity efitra ity no hiampatramparan’ ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,

Numbers 14:35Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin’ izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko; etỳ amin’ ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary etỳ no hahafatesany.

Deuteronomy 2:7Fa Jehovah Andriamanitrao efa nitahy anao tamin’ izay rehetra nataon’ ny tananao; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity; izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory ianao.

Deuteronomy 8:4Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao.

Joshua 24:7Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana, sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Josoa 5:6

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Josoa 5:5Bokin'i Josoa 5Bokin'i Josoa 5:7 →