Bokin'i Josoa 6:22
Ary izy roa lahy izay efa nisafo ny tany dia efa nilazan’ i Josoa hoe: Mankanesa ao amin’ ny tranon’ ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy ny havany rehetra ary izay mety ho azy, araka izay nianiananareo taminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 2:14Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen’ i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.
Joshua 9:15Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan’ ny fiangonana koa dia nianiana taminy.
Judges 1:25Dia natoron-dralehilahy azy ny fidirana mankao an-tanàna, ka dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra ny tanàna; fa ralehilahy sy ny mpianakaviny rehetra dia navelany handeha.
2 Samuel 21:7Fa ny mpanjaka niaro an’ i Mefiboseta, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Saoly, noho ny fianianana tamin’ i Jehovah nataon’ i Davida sy Jonatana, zanak’ i Saoly.
Ezekiel 17:13Ary naka ny anankiray tamin’ ny taranaky ny mpanjaka izy, dia nanao fanekena taminy ka nampianiana azy, ary ny lehilahy mahery tamin’ ny tany dia nentiny nandeha,
Ezekiel 17:18Fa efa nanamavo ny fianianana izy tamin’ ny nivadihany ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tànany izy, kanjo nanao izany rehetra izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.