Bokin'i Josoa 6:25
Fa Rahaba janga sy ny ankohonan’ ny rainy sy ny havany rehetra mbamin’ izay nety ho azy dia novelomin’ i Josoa, ary mitoetra eo amin’ ny Isiraely mandraka androany ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay efa nirahin’ i Josoa hisafo an’ i Jeriko izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 2:1Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.
Joshua 2:6Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin’ ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin’ ny tampon-trano.
Joshua 4:9Ary vato roa ambin’ ny folo no natsangan’ i Josoa teo Jordana, teo amin’ ilay nijoroan’ ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.
Judges 1:24ary nahita lehilahy anankiray nivoaka avy tao an-tanàna ny mpisafo ka nanao taminy hoe: Mba atoroy kely anay ny fidirana mankao an-tanàna, dia hamindra fo aminao izahay.
Matthew 1:5ary Salmona niteraka an’ i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an’ i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an’ i Jese;
Hebrews 11:31Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin’ ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin’ ny fihavanana izy.