Bokin'i Josoa 6:5
Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon’ ny anjomara, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin’ izay ny màndan’ ny tanàna, ary hiakatra samy hizotra amin’ izay hitsiny avy ny olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 19:19Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.
Joshua 6:20Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren’ ny vahoaka ny feon’ ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin’ izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin’ izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna.
Judges 20:37Ary ny otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tanàna rehetra tamin’ ny lelan-tsabatra.
1 Samuel 17:20Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman’ olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian’ i Jese azy; ary tonga teo amin’ ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon’ ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin’ izay.
2 Chronicles 13:14Ary nony nitodika ny Joda, ka, indreo, teo alohany sy teo aoriany ny fahavalo, dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra.
Isaiah 25:12Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin’ ny tany, dia hatramin’ ny vovoka.