Bokin'i Josoa 7:13
Mitsangana, manamasìna ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasìna ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan’ ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 34:27Ary ny zanak’ i Jakoba nankeny amin’ ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.
Deuteronomy 13:6Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin’ i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin’ ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin’ ny lalana izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Joshua 6:18Kanefa mitandrema kosa ianareo ny amin’ ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona ianareo, nefa maka amin’ ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin’ ny Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy.
2 Chronicles 28:10Ary ankehitriny ny taranak’ i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovanivareo; ka moa ianareo ireo va tsy mba manan-keloka amin’ i Jehovah Andriamanitrareo koa?
Joel 2:16Angony ny vahoaka, manamasìna fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin’ ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.
Matthew 7:5Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ ny masonao, ary amin’ izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao.