The Bible Software
bible.software › Bokin'i Josoa › Bokin'i Josoa 7 › Bokin'i Josoa 7:2

Bokin'i Josoa 7:2

Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan’ i Betavena, atsinanan’ i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an’ i Ay.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And Joshua sent men from Jericho to Ai, which is beside Beth-aven, on the east side of Bethel, and spake unto them, saying, Go up and view the country. And the men went up and viewed Ai.

In Context

1Fa ny Zanak’ Isiraely nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak’ i Karmy, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Zera, avy tamin’ ny firenen’ i Joda, naka tamin’ ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin’ ny Zanak’ Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah.

3Ary niverina tany amin’ i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an’ i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.

Read all of Bokin'i Josoa 7

Cross References

Genesis 28:19Ary ny anaran’ izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ ilay tanàna tany aloha.

Joshua 12:9Ny mpanjakan’ i Jeriko, iray; ny mpanjakan’ i Ay, izay eo anilan’ i Betela, iray;

1 Samuel 13:5Ary ny Filistina telo alina an-kalesy sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina dia nivory hiady tamin’ ny Isiraely; dia nandeha izy ka nitoby tany Mikmasy atsinanan’ i Betavena.

1 Kings 12:29Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.

Proverbs 20:18Ny hevitra rehetra dia aorin’ ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.

Isaiah 10:28Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an’ i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy,

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Josoa 7:2

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Josoa 7:1Bokin'i Josoa 7Bokin'i Josoa 7:3 →