Bokin'i Josoa 7:20
Ary Akana namaly an’ i Josoa ka nanao hoe; Eny tokoa, izaho no nanota tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ary izao ka izao no nataoko:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 42:21Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin’ ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian’ ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan’ izao fahoriana izao amintsika.
Exodus 10:16Ary Farao dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.
1 Samuel 15:24Ary hoy Saoly tamin’ i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin’ i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony.
Job 7:20Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?
Psalms 38:18Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.
Matthew 27:4ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.