Bokin'i Josoa 7:24
Dia nalain’ i Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak’ i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny aman’ osiny ary ny lainy mbamin’ izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 18:25Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
Numbers 16:27Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin’ ny lain’ i Kora sy Datana ary Abìrama; ary Datana sy Abìrama nivoaka ka nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lainy mbamin’ ny vadiny sy ny zananilahy ary ny zanany madinika.
Joshua 6:21Ary naringany tamin’ ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman’ osy, na boriky.
Joshua 7:26Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin’ ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran’ izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.
Joshua 22:20Tsy nandika ny didy va Akana, zanak’ i Zera, tamin’ ny zavatra voaozona, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin’ izany helony izany.
Job 20:23Halefan’ Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.