Bokin'i Josoa 8:2
Dia tahaka ny nataonao tamin’ i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin’ i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 3:2Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.
Joshua 6:21Ary naringany tamin’ ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman’ osy, na boriky.
Joshua 8:9Dia nampandehanin’ i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan’ i Ay, teo anelanelan’ i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin’ ny vahoaka ihany tamin’ izany alina izany.
Joshua 8:14Ary rehefa hitan’ ny mpanjakan’ i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanàna ka nivoaka faingana hiady tamin’ ny Isiraely, teo amin’ ny tany nifamotoanany tandrifin’ ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tanàna.
Joshua 8:24Ary rehefa namono ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin’ ny efitra nanenjehany azy, ka lavo tamin’ ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra.
Joshua 9:3Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan’ i Josoa an’ i Jeriko sy Ay,