Bokin'i Josoa 8:22
Ary ireo tao an-tanàna nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan’ ny Isiraely ny olona, fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa; dia nifandafaran’ ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Ary ny mpanjakan’ i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin’ i Josoa.
Cross References
Deuteronomy 7:2ary rehefa voatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy;
Joshua 10:28Ary Makeda dia afak’ i Josoa tamin’ izany andro izany, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko, no nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Makeda koa.
Job 20:5Dia vetivety foana ny firavoravoan’ ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian’ ny mpihatsaravelatsihy?
1 Thessalonians 5:3Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.