Bokin'i Josoa 8:28
Ary Ay dia nodoran’ i Josoa ka nofoanany ho tanànaolo mandrakizay, dia toy izany mandraka androany izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Joshua burnt Ai, and made it an heap for ever, even a desolation unto this day.
In Context
Cross References
Deuteronomy 13:17Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia angòny eo afovoan’ ny kianja, ka doroy amin’ ny afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra ao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
2 Kings 19:25Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin’ ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao.
Isaiah 25:2Fa efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; Ny tanàna mimanda dia rava tokoa; Ny lapan’ ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; Tsy hatsangana intsony mandrakizay iny;
Jeremiah 49:2Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampandrenesako akoran’ ady amin’ ny famelezana an’ i Raban’ ny taranak’ i Amona, ary ho tanànaolo rava izy, ary ny zana-bohiny hodorana amin’ ny afo; Ary ny Isiraely hahalasa ny an’ izay nahalaza azy, hoy Jehovah.
Micah 3:12Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.