Bokin'i Josoa 8:33
Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin’ ny fiara, teo anatrehan’ ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian’ i Mosesy mpanompon’ i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 12:49Lalàna iray no ho amin’ ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
Numbers 15:15Ary ny amin’ ny fiangonana, dia lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo koa, dia lalàna mandrakizay hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany: tsy hisy hafa eo anatrehan’ i Jehovah na ianareo na ny vahiny.
Numbers 15:29Lalàna iray ihany no hatao amin’ izay manota tsy nahy, na amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra, na amin’ ny vahiny eo aminareo.
Deuteronomy 27:11Dia nandidy ny vahoaka tamin’ izany andro izany Mosesy ka nanao hoe:
Deuteronomy 29:10ny zanakareo madinika koa sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin’ ny tobinareo mbamin’ ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao
Deuteronomy 31:12Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an’ i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.