Bokin'i Josoa 8:34
Ary rehefa afaka izany, dia namaky ny tenin’ ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny lalàna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 26:1Aza manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Deuteronomy 28:28ary hamelin’ i Jehovah anao koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny fahaverezan-kevitra.
Deuteronomy 30:15Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza,
Deuteronomy 31:11ka avy hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan’ ny Isiraely rehetra ny tenin’ ity lalàna ity hihainoany azy.
Nehemiah 8:2Dia nentin’ i Ezra mpisorona ny lalàna tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafito ho eo anatrehan’ ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin’ izay rehetra efa mahahaino.
Nehemiah 13:1Tamin’ izany andro izany dia novakiana teo anatrehan’ ny olona ny teny tao amin’ ny bokin’ i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra mandrakizay,