Bokin'i Josoa 8:35
Tsy nisy teny tamin’ izay rehetra nandidian’ i Mosesy, izay tsy novakin’ i Josoa teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin’ ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 4:2Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
Deuteronomy 29:10ny zanakareo madinika koa sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin’ ny tobinareo mbamin’ ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao
Deuteronomy 31:12Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an’ i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.
Nehemiah 8:2Dia nentin’ i Ezra mpisorona ny lalàna tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafito ho eo anatrehan’ ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin’ izay rehetra efa mahahaino.
Jeremiah 26:2Izao no lazain’ i Jehovah: Mitsangàna eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah, ka lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon’ i Jehovah, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy, ary aza amelana na dia teny iray akory aza.
Mark 10:14Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.