Bokin'i Josoa 9:1
Ary rehefa nandre izany ny mpanjaka rehetra izay etỳ an-dafin’ i Jordana, na ny tany amin’ ny tany havoana, na ny tany amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tany amoron’ ny Ranomasina Lehibe tandrifin’ i Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2dia niray hina niangona hiady amin’ i Josoa sy ny Isiraely izy.
Cross References
Exodus 3:17ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin’ ny fahoriana atỳ Egypta ho any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely.
Exodus 23:31Ary hatramin’ ny Ranomasina Mena ka hatramin’ ny ranomasin’ ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin’ ny efitra ka hatramin’ ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin’ ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.
Numbers 13:29Ny Amalekita no monina eo amin’ ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron’ ny ranomasina sy eo amoron’ i Jordana.
Deuteronomy 1:7mihodìna ianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin’ ny tany havoan’ ny Amorita sy any amin’ izay rehetra ao akaikiny, dia any amin’ ny tani-hay sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany atsimo sy ny amoron’ ny ranomasina, dia any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
Deuteronomy 4:49dia ny tani-hay rehetra any an-dafy atsinanan’ i Jordana ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay eo am-bodin’ i Pisga.
Joshua 1:4Hatramin’ ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an’ ny Hetita, ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.