Bokin'i Josoa 9:18
Fa tsy namely azy ny Zanak’ Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan’ ny lohan’ ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin’ ireo loholona ny fiangonana rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 23:22Raha mivoady amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin’ i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao.
Deuteronomy 23:24Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin’ i Jehovah ihany, dia izay nolazain’ ny vavanao.
Psalms 15:4Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; tsy mivadika amin’ ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza,
Ecclesiastes 5:6Fa amin’ ny haben’ ny nofy dia misy zava-poana; ary toy izany koa ny haben’ ny teny, fa Andriamanitra no atahory.