Bokin'i Josoa 9:20
Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Samuel 21:1Ary nisy mosary telo taona misesy tamin’ ny andron’ i Davida, ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin’ ny taranak’ i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.
Proverbs 20:25Fandrika amin’ ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masìna ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra.
Ezekiel 17:15Fa niodina taminy izy ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?
Zechariah 5:3Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin’ ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa.
Malachi 3:5Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin’ ny karamany mbamin’ ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
1 Timothy 1:10ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema,