Bokin'i Josoa 9:3
Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan’ i Josoa an’ i Jeriko sy Ay,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And when the inhabitants of Gibeon heard what Joshua had done unto Jericho and to Ai,
In Context
2dia niray hina niangona hiady amin’ i Josoa sy ny Isiraely izy.
Cross References
Joshua 6:1Ary nihidy mafy Jeriko tamin’ izany noho ny Zanak’ Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra.
Joshua 8:1Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan’ i Ay mbamin’ ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.
Joshua 8:26Ary Josoa tsy nampihemotra ny tànany izay nanondro tamin’ ny lefona mandra-pandringana ny mponina rehetra tao Ay.
Joshua 10:1Ary rehefa ren’ i Adoni-zedeka, mpanjakan’ i Jerosalema, fa afak’ i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin’ i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin’ Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin’ ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy,
Joshua 10:28Ary Makeda dia afak’ i Josoa tamin’ izany andro izany, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko, no nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Makeda koa.
Joshua 18:25sy Gibeona sy Rama sy Berota