Epistily nosoratan'i Joda 1:14
Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an’ i Adama, dia efa naminany ny amin’ ireny olona ireny ka nanao hoe: “Indro, tonga Jehovah mbamin’ ny masiny tsy omby alinalina
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily nosoratan'i Joda 1
Cross References
Genesis 5:18Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Jareda dia niteraka an’ i Enoka izy.
Deuteronomy 33:2Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin’ ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy lalàn’ afo ho an’ ireo.
Job 19:25Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy.
Daniel 7:9Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon’ ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
Matthew 16:27Fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
Matthew 25:31Ary raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy;