The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Mpitsara › Bokin'ny Mpitsara 1 › Bokin'ny Mpitsara 1:4

Bokin'ny Mpitsara 1:4

Dia niakatra Joda, ary natolotr’ i Jehovah teo an-tànany ny Kananita sy ny Perizita, ka nahafaty iray alin-dahy tany Bezeka izy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And Judah went up; and the LORD delivered the Canaanites and the Perizzites into their hand: and they slew of them in Bezek ten thousand men.

In Context

3Ary hoy Joda tamin’ i Simeona rahalahiny: Andeha hiara-miakatra amiko ianao ho any amin’ ny lovako, ka aoka isika hiady amin’ ny Kananita; ary izaho kosa dia handeha hiaraka aminao ho any amin’ ny lovanao. Ary Simeona dia nandeha niaraka taminy.

5Ary nahita an’ i Adoni-bezeka tany Bezeka izy, dia niady taminy ka naharesy ny Kananita sy ny Perizita.

Read all of Bokin'ny Mpitsara 1

Cross References

Exodus 23:28Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.

Deuteronomy 9:3Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain’ i Jehovah taminao.

Joshua 11:6Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan’ ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin’ ny afo ny kalesiny.

Judges 11:32Dia nandeha Jefta nankany amin’ ny taranak’ i Amona hiady aminy: ary natolotr’ i Jehovah teo an-tànany ireo.

1 Samuel 14:6Ary hoy Jonatana tamin’ ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin’ ny miaramilan’ ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an’ i Jehovah tsy hamonjy, na amin’ ny maro, na amin’ ny vitsy.

1 Samuel 17:46Anio no hanoloran’ i Jehovah anao amin’ ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin’ ny miaramilan’ ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Mpitsara 1:4

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Mpitsara 1:3Bokin'ny Mpitsara 1Bokin'ny Mpitsara 1:5 →