Bokin'ny Mpitsara 1:7
Ary hoy Adoni-bezeka: Mpanjaka fito-polo voatapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony no nitsindroka hanina teo ambanin’ ny latabatro; ka mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin’ Andriamanitra ahy! Ary nentin’ ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 1
Cross References
Leviticus 24:19Ary raha misy obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa:
Judges 9:24mba hitsingerenan’ ny loza natao tamin’ ny namonoana ny zanak’ i Jerobala fito-polo lahy ka hanody an’ i Abimeleka rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao Sekema, izay nampahery ny tànany hamono ny rahalahiny.
1 Samuel 15:33Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan’ ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan’ ny reninao zanaka kosa ao amin’ ny vehivavy. Dia notetitetehin’ i Samoela teo anatrehan’ i Jehovah tao Gilgala Agaga.
Isaiah 33:1Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.
Matthew 7:1Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo.
Romans 2:15fa ireo maneho ny asan’ ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,―