Bokin'ny Mpitsara 11:16
Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin’ ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 11
Cross References
Genesis 14:7Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an’ ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
Numbers 14:25Ary ny Amalekita sy ny Kananita no mponina eo amin’ ny lohasaha; koa rahampitso dia miverena ianareo, ka mankanesa any an-efitra amin’ ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena.
Deuteronomy 1:40Fa ianareo kosa dia miverena, ka mandehana any an-efitra, dia any amin’ ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena.
Joshua 5:6Fa efa-polo taona no nandehanan’ ny Zanak’ Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran’ ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah izy; dia ireo no nianianan’ i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.