Bokin'ny Mpitsara 11:17
Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin’ ny mpanjakan’ i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan’ i Edoma. Ary naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 11
Cross References
Numbers 20:14Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ ny mpanjakan’ i Edoma hanao hoe: Izao no lazain’ i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:
Deuteronomy 1:46Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao.
Deuteronomy 2:29(araka izay nataon’ ny taranak’ i Esao, izay monina any Moabita, izay monina any Ara, tamiko) mandra-pitako an’ i Jordana ho any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitray anay.