The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Mpitsara › Bokin'ny Mpitsara 11 › Bokin'ny Mpitsara 11:18

Bokin'ny Mpitsara 11:18

Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan’ i Moaba, ka nitoby teo an-dafin’ i Arnona, fa tsy niditra teo anatin’ ny faritanin’ i Moaba; fa Arnona no fari-tanin’ i Moaba.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Then they went along through the wilderness, and compassed the land of Edom, and the land of Moab, and came by the east side of the land of Moab, and pitched on the other side of Arnon, but came not within the border of Moab: for Arnon was the border of Moab.

In Context

17Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin’ ny mpanjakan’ i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan’ i Edoma. Ary naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.

19Ary ny Isiraely dia naniraka olona tany amin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay mpanjakan’ i Hesbona; ary hoy ny Isiraely taminy: Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay hankany amin’ ny fonenanay.

Read all of Bokin'ny Mpitsara 11

Cross References

Numbers 20:22Ary nifindra ny Zanak’ Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora.

Numbers 21:13Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin’ i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin’ ny fari-tanin’ ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin’ ny Moabita, eo anelanelan’ ny Moabita sy ny Amorita.

Numbers 33:37Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin’ ny tany Edoma.

Deuteronomy 2:8Ary raha nandalo ny taranak’ i Esao rahalahintsika izay monina any Seïra isika ary niala tamin’ ny lalana amin’ ny tani-hay sy tao Elata ary Ezion-gebera, dia nivily isika ka nandeha tamin’ ny lalana mankany amin’ ny efitr’ i Moaba.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Mpitsara 11:18

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Mpitsara 11:17Bokin'ny Mpitsara 11Bokin'ny Mpitsara 11:19 →