Bokin'ny Mpitsara 11:35
Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin’ i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 11
Cross References
Genesis 37:34Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin’ ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro.
Leviticus 27:28Kanefa ny zavatra rehetra izay atokan’ ny olona ho an’ i Jehovah amin’ izay ananany, na olona, na biby fiompy, na tany izay fananany, dia tsy hamidy, na havotana; masìna dia masìna ho an’ i Jehovah ny zavatra rehetra izay atokana.
Numbers 30:2Ary Mosesy niteny tamin’ ireo lohan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah:
Joshua 7:6Dia notriarin’ i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro izy sy ny loholon’ ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.
1 Samuel 14:44Dia hoy Saoly: Hataon’ Andriamanitra toy izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jonatana.