Bokin'ny Mpitsara 11:7
Fa hoy Jefta tamin’ ny loholon’ i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon’ ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin’ ny taranak’ i Amona.
Read all of Bokin'ny Mpitsara 11
Cross References
Genesis 26:27Fa hoy Isaka taminy: Nahoana ianareo no mankaty amiko, kanefa nankahala ahy ianareo ka nandroaka ahy niala teo aminareo?
Genesis 45:4Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.
Isaiah 60:14Ny zanak’ izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin’ ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan’ i Jehovah, Zionan’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Revelation 3:9Indro, alaiko ny sasany amin’ ny synagogan’ i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.