Bokin'ny Mpitsara 13:20
Ary raha niakatra ho amin’ ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ ny alitara, dia niakatra teo anatin’ ny lelafo avy teo amin’ ny alitara Ilay Anjelin’ i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 13
Cross References
Genesis 17:3Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:
Judges 6:19Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak’ osy sy mofo tsy misy masirasira tamin’ ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin’ ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin’ ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin’ ilay hazo terebinta ka natolony Azy.
2 Kings 2:11Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin’ ny tafio-drivotra ho any an-danitra.
1 Chronicles 21:21Ary nony tonga teo amin’ i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an’ i Davida, ary dia niala avy teo amin’ ny famoloana izy ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ i Davida.
Psalms 47:5Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr’ i Jakoba izay tiany. [Sela.]
Ezekiel 1:28Toy ny tarehin’ avana amin’ ny rahona amin’ ny andro nisy ranon’ orana no tarehin’ ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr’ i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon’ ny anankiray niteny.