Bokin'ny Mpitsara 13:25
Dia niantomboka nanindry azy indraindray ny Fanahin’ i Jehovah tany Mahane-dana, teo anelanelan’ i Zora sy Estaola.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the Spirit of the LORD began to move him at times in the camp of Dan between Zorah and Eshtaol.
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 13
Cross References
Joshua 19:41Ary ny fari-tanin’ ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy
Judges 6:34Ary notsindrian’ ny Fanahin’ i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita.
Judges 16:31Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan’ i Zora sy Estaola tao amin’ ny fasan’ i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.
Judges 18:11Dia nisy niainga avy tamin’ ny fokon’ i Dana, avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy efa voaomana tamin’ ny fiadiany.
1 Samuel 11:6Dia nilatsaka tamin’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran’ i Saoly, raha nandre izany teny izany.
John 3:34Fa Izay nirahin’ Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan’ Andriamanitra ny Fanahy.