Bokin'ny Mpitsara 16:2
Ary nolazaina tamin’ ny Gazita hoe: Tonga atỳ Samsona. Dia nanemitra azy izy ary nanotrika mandritra ny alina teo am-bavahadin’ ny tanàna ka nangina mandritra ny alina; fa hoy izy: Raha maraina ny andro, dia hovonointsika izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary Samsona nankany Gaza ka nahita vehivavy janga teo, dia niditra tao aminy.
Read all of Bokin'ny Mpitsara 16
Cross References
Judges 15:18Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin’ ny tanan’ ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan’ ny tsy mifora!
1 Samuel 23:26Ary Saoly nandeha tamin’ ny ilan’ ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin’ ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an’ i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an’ i Davida sy ny olony hisambotra azy.
Matthew 21:38Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.
Acts 9:24nefa fantatr’ i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman’ alina hamonoany azy.
2 Corinthians 11:32Tany Damaskosy ny governora notendren’ i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy;