Bokin'ny Mpitsara 16:20
Dia hoy ravehivavy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ ny torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah efa niala taminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 16
Cross References
Numbers 14:9Fa aza miodina amin’ i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo.
Numbers 14:43fandrao ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.
Joshua 7:12Koa tsy mahajanona eo anoloan’ ny fahavalony ny Zanak’ Isiraely; miamboho eo anoloan’ ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.
Judges 16:9Ary nisy lehilahy nanotrika ka nitoetra taminy tao an’ efi-trano. Dia hoy ravehivavy tamin’ i Samsona: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia notosany ny tady, tahaka ny fahamaiton’ ny taretra rongony, raha lelafin’ ny afo. Dia tsy fantatra ny heriny.
1 Samuel 16:14Fa ny Fanahin’ i Jehovah efa niala tamin’ i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah nampahatahotra azy.
1 Samuel 18:12Ary Saoly natahotra an’ i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany.