Bokin'ny Mpitsara 16:28
Ary Samsona niantso an’ i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin’ ny masoko roa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 16
Cross References
Judges 5:31Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin’ ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.
2 Chronicles 20:12Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain’ ny masonay.
Psalms 50:15Antsoy Aho amin’ ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Psalms 74:18Tsarovy izao: Manaratsy an’ i Jehovah ny fahavalo, ary ny olona adala manamavo ny anaranao.
Psalms 116:4Dia niantso ny anaran’ i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.
Jeremiah 15:15Hianao no mahalala, Jehovah ô; Tsarovy aho, ka vangio, ary valio izay manenjika ahy; Aza dia mandefitra aminy Hianao, fandrao ho afaka ny aiko; Aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no nitondrako latsa.