The Bible Software
Bokin'ny Mpitsara · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Mpitsara 17

1Nisy lehilahy tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, Mika no anarany.

2Ary hoy izy tamin’ ny reniny: Ilay sekely volafotsy zato amby arivo nalaina taminao, izay nasianao ozona sady nolazainao teo anatrehako, indro, ato amiko ny vola; izaho no naka azy. Dia hoy ny reniny: Hotahin’ i Jehovah anie ny zanako.

3Ary rehefa naveriny tamin’ ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako ho an’ i Jehovah mihitsy ity vola avy amin’ ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy.

4Ary rehefa naveriny tamin-dreniny ny volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka nomeny ny mpanao an-idina hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina; dia natao tao an-tranon’ i Mika izany.

5Ary nanana tranon’ andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany ka tonga mpisorony.

6Tamin’ izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin’ ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra.

7Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin’ ny fokon’ i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao.

8Ary ralehilahy niala tao an-tanàna Betlehema-joda hivahiny any amin’ izay azony hitoerana; ary nony nandeha izy, dia tonga tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima tao an-tranon’ i Mika.

9Ary hoy Mika taminy: Avy aiza moa ianao? Dia hoy kosa izy taminy: Levita avy any Betlehema-joda aho ka mandeha hivahiny eny amin’ izay azoko hitoerana.

10Dia hoy Mika taminy: Mitoera atỳ amiko ianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko, dia homeko sekely folo volafotsy isan-taona sy fitafiana ary hanina. Dia niditra ilay Levita.

11Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy ilay Levita, ka dia tonga tahaka ny zanany izy.

12Dia natokan’ i Mika ilay Levita, ka dia tonga mpisorony izy ary nitoetra tao an-tranon’ i Mika.

13Dia hoy Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho mpisoroko aho.

← Bokin'ny Mpitsara 16Read In The App, Free →Bokin'ny Mpitsara 18 →

Study Bokin'ny Mpitsara 17

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021