The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Mpitsara › Bokin'ny Mpitsara 17 › Bokin'ny Mpitsara 17:2

Bokin'ny Mpitsara 17:2

Ary hoy izy tamin’ ny reniny: Ilay sekely volafotsy zato amby arivo nalaina taminao, izay nasianao ozona sady nolazainao teo anatrehako, indro, ato amiko ny vola; izaho no naka azy. Dia hoy ny reniny: Hotahin’ i Jehovah anie ny zanako.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And he said unto his mother, The eleven hundred shekels of silver that were taken from thee, about which thou cursedst, and spakest of also in mine ears, behold, the silver is with me; I took it. And his mother said, Blessed be thou of the LORD, my son.

In Context

1Nisy lehilahy tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, Mika no anarany.

3Ary rehefa naveriny tamin’ ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako ho an’ i Jehovah mihitsy ity vola avy amin’ ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy.

Read all of Bokin'ny Mpitsara 17

Cross References

Genesis 14:19Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin’ Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;

Exodus 20:7Aza manonona foana ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’ i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.

Judges 5:23Ozony Meroza, hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah, Ozony dia ozòny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an’ i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an’ i Jehovah hamely ny mahery.

1 Samuel 14:24Ary ory ny lehilahy amin’ ny Isiraely tamin’ izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza.

1 Samuel 15:13Ary Samoela tonga teo amin’ i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin’ i Jehovah aho.

1 Samuel 26:19Ary ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin’ ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak’ olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan’ i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin’ ny lova nomen’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Mpitsara 17:2

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Mpitsara 17:1Bokin'ny Mpitsara 17Bokin'ny Mpitsara 17:3 →