Bokin'ny Mpitsara 17:5
Ary nanana tranon’ andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany ka tonga mpisorony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 17
Cross References
Genesis 31:30Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon’ ny rainao indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro?
Exodus 28:4Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masìna ho an’ i Arona rahalahinao izy, sy ho an’ ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
Exodus 29:9Ary fehezo amin’ ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an’ i Arona sy ny zanany.
Judges 18:14Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin’ ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin’ ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina? koa hevero izay hataonareo.
1 Samuel 19:13Ary nalain’ i Mikala ny sampy, dia napetrany teo amin’ ny farafarany, ka nosaronany makarakara volon’ osy ny lohany, dia norakofany ny lamba izy.
1 Kings 12:31Ary nanao trano teny amin’ ny fitoerana avo izy sady nanendry olona hafa ho mpisorona, izay tsy isan’ ny taranak’ i Levy.