The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Mpitsara › Bokin'ny Mpitsara 18 › Bokin'ny Mpitsara 18:2

Bokin'ny Mpitsara 18:2

Ary ny taranak’ i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin’ ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima tao an-tranon’ i Mika izy, dia nandry tao.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the children of Dan sent of their family five men from their coasts, men of valour, from Zorah, and from Eshtaol, to spy out the land, and to search it; and they said unto them, Go, search the land: who when they came to mount Ephraim, to the house of Micah, they lodged there.

In Context

1Ary tamin’ izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely; ary tamin’ izany andro izany kosa ny firenen’ i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin’ izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin’ ny firenen’ Isiraely izy.

3Rehefa mby teo akaikin’ ny tranon’ i Mika izy, dia fantany ny feon’ ilay Levita zatovo; dia nivily teo izy ka nanao taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? ary maninona atỳ ianao? ary inona no anananao atỳ?

Read all of Bokin'ny Mpitsara 18

Cross References

Genesis 42:9Ary Josefa nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo ianareo; hizaha ny fangadihadin’ ny tany no nahatongavanareo.

Joshua 2:1Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.

Joshua 17:15Dia hoy Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao, dia miakara any amin’ ny ala, ka miteveza honenanao any amin’ ny tanin’ ny Perizita sy ny Refaïta, fa terỳ loatra aminao ny tany havoan’ i Efraima.

Judges 13:2Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin’ ny fokon’ ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka.

Judges 16:31Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan’ i Zora sy Estaola tao amin’ ny fasan’ i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.

Judges 18:8Dia nandeha ho any amin’ ny rahalahiny any Zora sy Estaola ireo; ary hoy ny rahalahiny taminy: Naninona moa ianareo?

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Mpitsara 18:2

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Mpitsara 18:1Bokin'ny Mpitsara 18Bokin'ny Mpitsara 18:3 →