Bokin'ny Mpitsara 18:27
Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon’ i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin’ ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanàna nodorany tamin’ ny afo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 18
Cross References
Deuteronomy 33:22Ary ny amin’ i DANA dia hoy izy: Dana dia zana-diona; Miantsampy avy ao Basana izy.
Joshua 19:47Ary ny fari-tanin’ ny taranak’ i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak’ i Dana, dia niady tamin’ i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran’ i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran’ i Dana rainy.
Judges 18:7Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon’ ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin’ ny tany na amin’ inona na amin’ inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin’ olona akory.