Bokin'ny Mpitsara 18:30
Dia natsangan’ ny taranak’ i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak’ i Gersoma, zanak’ i Mosesy, sy ny zanany, no mpisorona ho an’ ny firenen’ i Dana hatramin’ ny andro namaboana ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 18
Cross References
Exodus 18:3ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran’ ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin’ ny tanin’ ny firenena hafa aho;
Leviticus 26:1Aza manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Deuteronomy 27:15Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason’ i Jehovah, asan’ ny tanan’ ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin’ ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.
Deuteronomy 31:29Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin’ ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin’ ny asan’ ny tananareo.
Judges 17:3Ary rehefa naveriny tamin’ ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako ho an’ i Jehovah mihitsy ity vola avy amin’ ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy.
1 Samuel 4:2Dia nilahatra ny Filistina hiady amin’ ny Isiraely; ary rehefa raikitra ny ady, dia resin’ ny Filistina ny Isiraely, ka nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha.