Bokin'ny Mpitsara 18:7
Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon’ ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin’ ny tany na amin’ inona na amin’ inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin’ olona akory.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 18
Cross References
Joshua 19:47Ary ny fari-tanin’ ny taranak’ i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak’ i Dana, dia niady tamin’ i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran’ i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran’ i Dana rainy.
Judges 18:29Ary ny anaran’ ny tanàna nataony hoe Dana, araka ny anaran’ i Dana rainy, izay naterak’ Isiraely; kanefa Laisy no anaran’ ny tanàna taloha.
1 Kings 1:6Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy atory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao? sady lehilahy tsara tarehy tokoa izy; ary izy no na tera-dreniny nanarakaraka an’ i Absaloma.
Romans 13:3Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao;
Revelation 18:7Toraka itsy niderany tena sy nivelomany tamin’ ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho;