Bokin'ny Mpitsara 18:9
Dia hoy izy: Mitsangàna, ka aoka isika hiakatra hamely azy; fa efa nahita ny tany izahay, fa, indro, tsara indrindra izany; moa mbola mijanonjanona ihany va ianareo? aza malain-kandeha hiditra handova ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 18
Cross References
Numbers 14:7ary niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra.
Joshua 18:3Dia hoy Josoa tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo?
2 Samuel 10:12Mahereza ary, ka aoka hitombandahy isika ho an’ ny firenentsika sy ny tanànan’ Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
1 Kings 22:23Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ ireto mpaminaninao rehetra ireto ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
Hebrews 6:11Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ ny fanantenana hatramin’ ny farany;