Bokin'ny Mpitsara 19:1
Ary tamin’ izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin’ ny tany havoan’ i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 19
Cross References
Genesis 25:6Fa ny zanak’ ireo vaditsindranony hafa, izay nananan’ i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin’ Isaka zanany hiantsinanana ho any amin’ ny tany atsinanana.
Joshua 24:30Dia nalevina tao amin’ ny faritanin’ ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
Judges 3:27Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin’ ny tany havoana ny Zanak’ Isiraely, ary izy no nitarika azy.
Judges 17:1Nisy lehilahy tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, Mika no anarany.
Judges 17:7Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin’ ny fokon’ i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao.
Judges 18:1Ary tamin’ izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely; ary tamin’ izany andro izany kosa ny firenen’ i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin’ izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin’ ny firenen’ Isiraely izy.