Bokin'ny Mpitsara 19:22
Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin’ ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 19
Cross References
Genesis 19:5dia niantso an’ i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho atỳ aminay izy hahalalanay azy.
Judges 16:25Ary rehefa faly ny fony, dia hoy izy: Alao Samsona mba hanao laolao ho antsika. Dia nampaka an’ i Samsona avy tao an-trano famatorana izy, ka nanao laolao teo anatrehan’ ireo Samsona; ary nampitsanganiny teo anelanelan’ ny andry izy.
Judges 20:5Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin’ ny alina; izaho saiky novonoiny, ary ny vaditsindranoko nandriany ka matiny.
1 Samuel 1:16Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben’ ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.
1 Samuel 10:27Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon’ io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an’ i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.
2 Samuel 23:6Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin’ ny tanana izy;