Bokin'ny Mpitsara 19:6
Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 19
Cross References
Judges 9:27Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon’ ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an’ i Abimeleka.
Judges 19:9Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian’ ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao.
Ruth 3:7Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin’ ny faran’ ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.
Esther 1:10Ary tamin’ ny andro fahafito, nony faly ny fon’ ny mpanjaka azon’ ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan’ i Ahasoerosy mpanjaka,
Luke 12:19Dia hilaza amin’ ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.
Revelation 11:10Ary ny mponina ambonin’ ny tany mifaly azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin’ ny tany ireo mpaminany roa ireo.