Bokin'ny Mpitsara 2:11
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, fa nanompo ireo Bala
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the children of Israel did evil in the sight of the LORD, and served Baalim:
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 2
Cross References
Genesis 38:7Fa ratsy fanahy teo imason’ i Jehovah Era, lahimatoan’ i Joda; dia novonoin’ i Jehovah izy.
Deuteronomy 4:25Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin’ ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
Judges 3:12Fa nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ny zanak’ Isiraely ary i Jehovah nampahery an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, hiady amin’ ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
Judges 6:1Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, ka dia natolotr’ i Jehovah ho eo an-tànan’ ny Midiana fito taona izy;
Judges 10:6Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr’ i Syria sy ny andriamanitr’ i Sidona sy ny andriamanitr’ i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak’ i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an’ i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.
Judges 13:1Ary ny Zanak’ Isiraely nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray, ka dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànan’ ny Filistina efa-polo taona izy.