Bokin'ny Mpitsara 2:14
Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan’ ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan’ ny fahavalony intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Eny, nahafoy an’ i Jehovah izy ka nanampo an’ i Bala sy Astarta.
Read all of Bokin'ny Mpitsara 2
Cross References
Leviticus 26:28dia hamely anareo amin’ ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
Numbers 32:13Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’ i Jehovah.
Deuteronomy 28:20Hampandehanin’ i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian’ ny nataonao tamin’ ny nahafoizanao Ahy.
Deuteronomy 28:58Raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity, izay voasoratra eto amin’ ity boky ity, hatahoranao izao anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: JEHOVAH ANDRIAMANITRAO,
Deuteronomy 31:17Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’ izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’ Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
Joshua 7:12Koa tsy mahajanona eo anoloan’ ny fahavalony ny Zanak’ Isiraely; miamboho eo anoloan’ ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.