Bokin'ny Mpitsara 2:15
Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan’ i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin’ ny tànan’ ireo namabo azy.
Read all of Bokin'ny Mpitsara 2
Cross References
Deuteronomy 4:25Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin’ ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
Deuteronomy 28:15Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
Deuteronomy 32:40Fa manangana ny tanako amin’ ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay:
Judges 10:9Ary nita an’ i Jordana ny taranak’ i Amona mba hiady koa amin’ ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak’ i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely.
1 Samuel 12:15Fa raha tsy mihaino ny tenin’ i Jehovah kosa ianareo, fa mandà ny didiny, dia hamely anareo ny tànan’ i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo.
1 Samuel 14:24Ary ory ny lehilahy amin’ ny Isiraely tamin’ izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza.