Bokin'ny Mpitsara 2:3
Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin’ ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 2
Cross References
Exodus 23:33Tsy honina eo amin’ ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,
Numbers 33:55Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin’ ny tany, dia ho lay amin’ ny masonareo sy ho tsilo amin’ ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin’ ny tany izay onenanareo izy;
Joshua 23:13dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin’ ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin’ ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin’ ity tany soa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
Judges 3:6Ary naka ny zanakavavin’ ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin’ ny zanakalahin’ ireny ka nanompo ny andriamaniny.
1 Kings 11:1Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin’ i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita,