Bokin'ny Mpitsara 2:4
Ary nony niteny izany teny izany tamin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra Ilay Anjelin’ i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 2
Cross References
1 Samuel 7:6Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan’ i Jehovah, sady nifady hanina tamin’ izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak’ Isiraely tany Mizpa.
Ezra 10:1Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin’ ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin’ ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
Jeremiah 31:9Amin’ ny fitomaniana no hihaviany, ary amin’ ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron’ ny renirano izy, amin’ ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain’ Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako.
Zechariah 12:10Ary haidiko amin’ ny taranak’ i Davida sy amin’ ny mponina any Jerosalema ny fanahin’ ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan’ ny olona ny lahimatoany.
Luke 7:38ary nijanona teo ivohony tanilan’ ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ ny menaka manitra,
James 4:9Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.