Bokin'ny Mpitsara 20:23
Ary niakatra ny Zanak’ Isiraely ka nitomany teo anatrehan’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro, dia nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Ary ny Zanak’ Isiraely dia nandroso tamin’ ny andro faharoa hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina.
Read all of Bokin'ny Mpitsara 20
Cross References
Joshua 7:6Dia notriarin’ i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro izy sy ny loholon’ ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.
Judges 20:18Dia niainga ny Zanak’ Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin’ Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.
Judges 21:2Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan’ Andriamanitra mandra-paharivan’ ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy
1 Samuel 10:3Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin’ ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin’ ny olona telo lahy miakatra ho any amin’ Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak’ osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara;
Psalms 78:34Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an’ Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.