The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Mpitsara › Bokin'ny Mpitsara 20 › Bokin'ny Mpitsara 20:31

Bokin'ny Mpitsara 20:31

Dia nivoaka ny taranak’ i Benjamina hiady tamin’ ny olona ka voatarika niala tamin’ ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telo-polo lahy teo amin’ ny Isiraely tany an-tsampanan-dalana, miakatra ho any Betela ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the children of Benjamin went out against the people, and were drawn away from the city; and they began to smite of the people, and kill, as at other times, in the highways, of which one goeth up to the house of God, and the other to Gibeah in the field, about thirty men of Israel.

In Context

30Dia niakatra ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny andro fahatelo hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina ka nilahatra tandrifin’ i Gibea tahaka ilay teo aloha ihany.

32Ary hoy ny taranak’ i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak’ Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin’ ny tanàna ho any an-dalambe.

Read all of Bokin'ny Mpitsara 20

Cross References

Joshua 8:14Ary rehefa hitan’ ny mpanjakan’ i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanàna ka nivoaka faingana hiady tamin’ ny Isiraely, teo amin’ ny tany nifamotoanany tandrifin’ ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tanàna.

Judges 19:13Ary hoy izy tamin’ ny zatovony: Andeha isika hankamin’ ny anankiray amin’ ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Mpitsara 20:31

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Mpitsara 20:30Bokin'ny Mpitsara 20Bokin'ny Mpitsara 20:32 →