Bokin'ny Mpitsara 21:4
Ary nony ampitson’ iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 21
Cross References
Exodus 20:24Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman’ osinao sy ny ombinao; eo amin’ ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
Judges 6:26dia manorena alitara eto an-tampon’ ity fiarovana ity ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin’ ny hazon’ ny Aseraha izay hokapainao.
2 Samuel 24:18Ary Gada nankany amin’ i Davida tamin’ izany andro izany ka nanao taminy hoe: Miakara, ka manangàna alitara ho an’ i Jehovah ao amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
1 Kings 8:64Ary androtr’ io ihany no nanamasinan’ ny mpanjaka ny afovoan’ ny kianja izay teo anoloan’ ny tranon’ i Jehovah; fa teo no nanaterany fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary ny saboran’ ny fanati-pihavanana; fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan’ i Jehovah ka tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny saboran’ ny fanati-pihavanana.
Hosea 5:15Handeha hody any amin’ ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra.